Joshua 12

Ny anaran’ ny mpanjaka izay novonoin’ ny Zanak’ Isiraely

1Ary izao no mpanjakan’ ny tany izay resin’ ny Zanak’ Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan’ i Jordana hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan’ ny tani-hay
Heb Arabà.
2Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan’ ny lohasaha sy ny antsasak’ i Gileada, dia hatramin’ ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin’ ny taranak’ i Amona, 3ary ny ilany atsinanan’ ny tani-hay
Heb Arabà.
hatramin’ ny Ranomasina Kinerota ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay
Heb Arabà.
, dia ny Ranomasintsira, amin’ ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin’ ny tany atsimo eo am-bodin’ i Pisga.
4Ary azony koa ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, isan’ ny Refaïta sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy, 5sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’ i Gileada, fari-tanin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona. 6Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, sy ny Zanak’ Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ho lovan’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase. 7Ary izao no mpanjakan’ ny tany izay resin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan’ i Libanona, ka hatramin’ ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seïra, ka ny taniny nomen’ i Josoa ny firenen’ ny Isiraely araka ny fizarany, 8dia ny any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka
Heb Sefela.
sy amin’ ny tani-hay
Heb Arabà.
sy amin’ ny tany am-bodin’ ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin’ ny tany atsimo, dia ny an’ ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:
9Ny mpanjakan’ i Jeriko, iray; ny mpanjakan’ i Ay, izay eo anilan’ i Betela, iray; 10ny mpanjakan’ i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’ i Hebrona, iray; 11ny mpanjakan’ i Jarmota, iray; ny mpanjakan’ i Lakisy, iray; 12ny mpanjakan’ i Eglona, iray; ny mpanjakan’ i Gazera, iray; 13ny mpanjakan’ i Debira, iray; ny mpanjakan’ i Gadera, iray; 14ny mpanjakan’ i Horma, iray; ny mpanjakan’ i Arada, iray; 15ny mpanjakan’ i Libna, iray; ny mpanjakan’ i Adolama, iray; 16ny mpanjakan’ i Makeda, iray; ny mpanjakan’ i Betela, iray; 17ny mpanjakan’ i Tapoa, iray; ny mpanjakan’ i Hefera, iray; 18ny mpanjakan’ i Afeka, iray; ny mpanjakan’ i Lasarona, iray; 19ny mpanjakan’ i Madona, iray; ny mpanjakan’ i Hazora, iray; 20ny mpanjakan’ i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan’ i Aksafa, iray; 21ny mpanjakan’ i Tanaka, iray; ny mpanjakan’ i Megido, iray; 22ny mpanjakan’ i Kadesy, iray; ny mpanjakan’ i Jokneama any Karmela, iray; 23ny mpanjakan’ i Dora eo amin’ ny havoan’ i Dora, iray; ny mpanjakan’ ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray; 24ny mpanjakan’ i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan’ ny mpanjaka rehetra.
Copyright information for Mg1865